Sosialy

EPP Maibahoaka Ivato Nahazo boky sy Clé USB maromaro


  • Talata 28 Janoary 2020

Notoloran’ny orinasam-pifandraisana Orange Madagascar fitaovana ny EPP eny Maibahoaka, Ivato.

 

 

 

Ny faran’ny herinandro teo no nanatanterahany izany, hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanampiana ny mpiarabelona ho mariky ny firaisankina. Talohan’ny nanoloran’izy ireo ny fitaovana dia nisy ny fisarihan’ireo masoivohon’ny orange ny sain’ireo mpianatra mikasika ny fahitany ny tontolo tonga lafatra, narahina kisarisary mihitsy. Avy amin’izany ihany koa mantsy no hahafahan’ireo orinasa goavana toa azy manome izay tokony hatolotra ho an’ireo mpiarabelona. Boky sy clé USB maromaro moa no natolotra tamin’izany hahafahan’ity EPP iray ity sy ireo mpampianatra ao aminy manatevina ny fahalalan’ireo mpianatra. Nisy ihany koa ny fanolorana vatomamy sy bisikoitra ho an’ireo mpianatra taorian’ny lanonana. Niisa 243 izy ireo no nahazo tombontsoa.

 

Pati

 

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT