Sosialy

EPP Andraharo Tsy misy “cantine scolaire” intsony, sahirana ireo mpianatra


  • Zoma 08 Febroary 2019

Tsy manana “cantine scolaire” intsony ny eo anivon’ny EPP Andraharo, sekolim-panjakana iray mandray ireo zanaky ny sahirana eny an-toerana.

 

 

 

 

 Nanomboka tamin’ny volana oktobra lasa teo no tapaka izany, raha ny fanazavan’ny talen-tsekoly, hany ka maro amin’ireo mpianatra no lasa tsy mazoto mianatra intsony ankoatra ireo nitsoaka an-daharana.   Nanomboka ny volana janoary lasa teo no nitrangan’izany, fotoana tena tsy hananan’ireo ray aman-dreny vola ka hatramin’izao. Mba ho fanampiana ireo mpianatry ny EPP Andraharo ireo ary dia tonga nanolotra  sakafo atoandro ho azy ireo ny Alarobia teo ny fikambanana Rotary Club Ivandry  sy ny orinasa Star izay miorina eny Andraharo. Ity farany no nanolotra ny vola nikarakarana izany izay fantatra fa mbola hitohy any amin’ny EPP hafa eto an-drenivohitra. Isaky ny alarobia voalohan’ny volana no hotanterahina izany ka EPP miisa 11 no ezahina hotratrarina hatramin’ny faran’ny taona. Mitentina 35 tapitrisa Ar kosa no vola holaniana. Mpianatra 600 isaky ny sekoly no omena sakafo izay misy vary sy laoka, tsindrin-tsakafo ary ranom-boankazo vokarin’ny orinasa Star.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT