Sosialy

EPP Ampitatafika vaovao Mihoatra ny 100 ny ankizy nampodiana fa tsy nandoa vola


  • Alarobia 30 Oktobra 2019

Mitohy hatrany ny olana eny anivon’ireo sekolim-panjakana EPP maro samihafa eto amintsika,

 

 

 

 taorian’ny fanambarana nataon’ny minisitry ny fanabeazam-pirenena fa tsy handoavam-bola intsony ny mampiana-janaka eny anivon’ireny sekoly ireny. Betsaka ireo ray aman-dreny tsy niomana ara-bola intsony, antony mahatonga ireo ankizy mpianatra sasany tsy maintsy nampodian’ny talen-tsekoly. Ho an’ny EPP Ampitatafika vaovao, distrikan’Antananarivo Atsimondrano manokana dia fantatra fa nahatratra 100 ireo ankizy tsy maintsy nampodiana  afak’omaly. Nahatratra 37.200 Ar mantsy ny vola notakiana tamin’ireo ray aman-dreny isanisany, hoy ny vaovao. Miantso ny filoham-pirenena mba hanazava mahakasika ity raharaha ity izy. Ankoatra io vola aloa io mantsy dia mbola alaina amin’izy ireo ihany koa ny vidina bileta, ny tabilio simba tsy maintsy amboarina ankoatra ny fiantohana ny karaman’ireo mpampianatra izay tsy voaray ho mpiasam-panjakana.

Pati  sy Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT