Sosialy

EPP Ambohimamory Itaosy 6,72% ny tahan’ny fitsoahan-daharana


  • Alakamisy 05 Martsa 2020

Mahatratra 6,72 % ny tahan’ny fitsoahan’ny mpianatra an-daharana any an-tsekoly isan-taona ho an’ny EPP Ambohimamory Itaosy, distrikan’Antananarivo Atsimondrano.

 

 

Noho ny tsy fahampian-tsakafo no antony, hoy Rtoa Andriamasivelo Uris Simone, talen-tsekoly. Noana avokoa ny ankamaroan’ireo mpianatra ka matory fotsiny rehefa tonga any am-pianarana, antony hijanonany tanteraka any an-trano mihitsy. Anisan’ny nahatsapa sy nahita taratra izany ny fiangonana FM FOI tarihin’ny Apostoly Benjamina. Fihetsika kely monja mantsy raha araka ny nambarany dia ampy hampirihiratra ny sain’ireo ankizy mpianatra izay hoavin’ny rahampitso ireny ka hirosoany ho amin’ny tsaratsara kokoa. Mpifanolo-bodirindrina amin’ny fiangonana FM FOI ny EPP Ambohimamory. Mifankahazo am-po sy mifampivavaka hatrany izy ireo, ka ankoatra ny fifanohanana efa nisy hatramin’izay dia nohavaozin’ity fiangonana ity avokoa ny lokon’ny sekoly atiny sy ivelany, niampy ny fanamboarana ny valindrihan (plafond) sy ireo efitrano mitete rehefa avy ny orana. Tao anatin’ny herinandro no nanaovan’ny fiangonana ny asa, notokanana omaly. Tsiahivina moa fa efa 210 taona ny EPP Ambohimamory ankehitriny, misy mpianatra 615 isa hotronina mpampianatra 12. Miisa valo kosa ny efitranon-tsekoly ka ireo roa vaovao tsy mbola misy dabilio, pi-maso hatao amin’ny minisitera hampirisihina ireo tompon’andraikitry ny sekoly hanao ny tsara kokoa hatrany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT