Sosialy

« Entreprise de l’année » Voalohany tamin’ny fanaovana asa sosialy ny STAR


  • Zoma 27 Janoary 2023

Raha tsiahivina, ny « Entreprise de l’année » dia fanasokajina orinasa nokarakarain’ny MEMENTO hampilaharana

ireo orinasa mendrika indrindra sy nijoro tao anatin’ny vanim-potoana nisian’ny krizy ara-pahasalamana sy ekonomika ny taona 2021 sy 2022. Nisy araka izany ny mpitsara notarihin’ny avy ao amin’ny FTHM, namaritra ireo orinasa nandray anjara amin’ny sokajy dimy mazava tsara dia ny fitantanam-bola, ny fitantanana ny mpiasa, ny varotra, ny fanaovana asa sosialy na RSE ary ny fanavaozana. Tao anatin’izay no nivoahan’ny STAR ho orinasa mendrika indrindra teo amin’ny fanaovana ny asa sosialy. Manana ny politika RSE ny STAR izay mifototra amin’ny tetika sy drafitra miompana amin’ny fifandraisana maharitra amin’ireo mpisitraka. Nitondra ny anjara birikiny hatrany ny STAR amin’ny alalan’ny hetsika sosialy mangarahara, izay mizara roa mazava tsara ho an’ny tontolo iainana sy ho an’ny mpiara-monina. Manana teti-bola 1 miliara Ar isan-taona hanatanterahana kajy RSE ny STAR. Omaly hariva moa no notanterahina tao amin’ny Louvre Antaninarenina ny fanolorana ny amboara ho an’ireo orinasa mendrika indrindra tamin’ny filaharana « Entreprise de l’année » nokarakarain’ny MEMENTO. Nanatrika izany ny ekipan’ny RSE STAR izay nitazona ny laharana voalohany tamin’ny sokajy RSE hetsika sy fanampiana samihafa ho sitrahan’ny mpiara-monina. Tompon’andraikitra ary manao ny asa sosialy am-pahitsiana ny STAR hahafahany mifanjohy amin’ny tanjon’ny fandrosoana lovainjafy (ODD) hahazoana ako mivantana sy tsara eo amin’ny andavanandron’ny mponina. «Hotohizana sy hohamafisin’ny STAR ireo hetsika ara-tsosialy ho an’ny tontolo iainana, ny fanampiana ireo mpianatra avy amin’ny fianakaviana sahirana ary ny fanohanana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mandritra ity taona 2023 ity, taona hankalazan’ny STAR ny faha-70 taonany raha araka ny fanazavan’i Seheno Randriambolamanana, talen’ny serasera eto anivon’ity orinasa iray ity.
Pati
Legende : Nisitraka fanomezana ireo mpikambana eo anivon’ny RSE ao amin’ny orinasa Star
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT