ENTONA FANDREHITRA

Niaka-bidy hatrany amin’ny 75%


  • Talata 26 Novambra 2024

Nahitana fiakarany 50 ka hatramin’ny 75% ny vidin’ny entona fandrehitra eto amintsika.

Raha araka ny fanadihadiana natao dia iray volana teo ho eo izay no niainan’ny mpanjifa izany vokatry ny krizy mitranga manerantany sy ny fitontongan’ny sandam-bola Malagasy. Raha 27.500 Ar ohatra ny entona fandrehitra milanja 4 Kg teo aloha dia lasa 29.500 Ar ankehitriny. Lasa 66.600 Ar ihany koa ny vidin’ny entona fandrehitra milanja 9 Kg raha 62.800 Ar teo aloha. Ho an’ireo milanja 12 Kg indray dia lasa 91500 Ar izany raha 86.200 Ar teo aloha. Nambaran’ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa mivondrona eo anivon’ny MCI moa fa ankoatra ny entona fandrehitra dia anisan’ny hitan’izy ireo tena niaka-bidy ihany koa ny fotsim-bary. Efa misy tafakatra 3.500 Ar ny iray kilao amin’izao eny an-tsena ka anisan’izany ny makalioka sy ny vary avy any Manalalondo. Miantso ny Ministera tompon’andraikitra mba hanara-maso izy ireo araka izany ho fitsinjovana ny mpanjifa.
Pati
Legende : Midangana ny vidin’ny entona fandrehitra eny an-tsena !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

Hijery ny tohiny
FTT