Sosialy

ENTONA FANDREHITRA Niaka-bidy hatrany amin’ny 11 %


  • Alatsinainy 24 Febroary 2020

Misy fiantraikany amin’ny toekarena eran-tany ny fiparitahan’ilay otrik’aretina coronavirus any Sina.

Ho antsika eto Madagasikara manokana dia marobe ireo tsena mpivarotra entana Sinoa no efa nikatona toy ny etsy Behoririka. Niakatra ihany koa ny vidin’ny etona fandrehitra na ny gaz. Any ivelany mantsy no hafarana izy ireny raha tonga eto Madagasikara vao hatao anaty tavoahangy. Noho izay tsy hahafahan’ny entana avy any Sina miditra eto amintsika izay dia niakatra ihany koa ny vidin’ny gaz. Hatrany amin’ny 11 % izany fiakarana izany ka nampitaraina ny tokantrano maro. Teo an-danin’izay anefa dia efa teo am-piketrehana ny hivarotra etona fandrehitra an-tsinjarany ho an’ny tsirairay ireo mpivarotra izany ka 3.000 Ar no kasainy hamarotana izany, tetikasa efa natomboka tany Mahajanga. Tanjona ny hahafahana mampihena ny tahan’ny fandripahana ny ala eto amintsika amin’ny alalan’ny fampiasana saribao. Ny 95 %-n’ny tokantrano Malagasy mantsy no mbola mampiasa saribao hatreto, ka tsy maintsy hitadiavam-bahaolana izany.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT