Sosialy

Entona fandrehitra Efa nampidinina ny TVA nefa mbola saika hampakarina ny vidiny


  • Alatsinainy 04 Oktobra 2021

Nanaitra ny mpanjifa ny fikasan’ny Vitogaz, iray amin’ireo orinasa mpaninjara entona fandrehitra eto Madagasikara, hampakatra 10 ka hatramin’ny 16% ny vidiny nanomboka ny fiandohan’ity volana oktobra ity.

Tsaroan’ny maro anefa vao tamin’ny volana Marsa 2021 no nandraisan'ny fanjakana fepetra manokana io vokatra io, tamin'ny fampidinana ny tataon-ketra TVA ho 5% raha 20% teo aloha. Malalaka ny tsena eto Madagasikara saingy ho an’ny mpajifa dia tsy ara-drariny ny fampakarana ny vidin'ny entona fandrehitra. Anisan'ireo entam-barotra arahi-maso eo anivon'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra ary ny Fanjifana ny entona fandrehitra noho izy isan'ireo sokajin'entana efa niarahana nidinika tamin'ny fanjakana ny fampiharana ny vidiny ary koa vokatra fampiasan'ny mponina. Tafiditra rahateo koa ao anatin’ny paikady hiarovana ny tontolo iainana, mba tsy handripahana ala ka nampidinina ny vidiny hahafahan'ny mponina misitraka azy. Niantso ny Tale jeneralin'ny Vitogaz Olivier Gasbarian ny minisitra Edgard Razafindravahy ny zoma teo hanaja ny fifanarahana tsy hampakatra ny vidin'ny entona fandrehitra Vitogaz. Toa tsy mbola nanavao ny fahafahana manafatra io vokatra io moa ity orinasa ity.
Jean D.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT