Sosialy

Entana vidina amin`ny internet Mihamaro ny mpanjifa azy


  • Zoma 27 Martsa 2020

Manomboka mahazo vahana ny “livraison à domicile” amin` izao fotoana izao. Taorian` ny fiparitahan` ny COVID-19 eto amintsika mitombo isa hatrany ireo mpanjifa no misafidy io fomba fiasa io mba tsy hivoahana ny trano.

 

 

Eo ny fisorohana ny filaharam-be eny an-tsena satria maro ireo olona no manao tahirin-tsakafo. Eo ihany koa ny fanajàna ny fepetra noraisin` ny fanjakana amin`ny fametrahana fahamehana ara-pahasalamana. Maro sahady ireo mpanjifan` ny Pho Resto, orinasa iray miezaka manampy sy manala fahasahiranana ny mpanjifa amin’ny fandrahoan-tsakafo matsiro sy vetivety, miaraka amin’ireo mpahandro matihanina, no misafidy an` ity fomba fiasa ity. Tsotra tokoa ny fiaraha-miasa amin` ireny orinasa manao « livraison à domicile » ireny satria tsy be filirony. Mijery ireo tolotra amin` ny tranokalan` ny orinasa. Miantso ianao raha misy karazan-tsakafo na koa entana ilaina andavan`andro tianao haroso ho an’ny ankohonanao. Mandray ny kaomandy ny orinasa no sady maka ny adiresy hanaterana ireo entana. Mandalo avy hatrany any an-dakozia iny kaomandy iny ary raisin’ny mpanao sakafo. Fotoana tsy ela aorian’izay dia efa vonona ny sakafo ary aterin’ireo “livreurs”. Miantso an-telefaonina indray ity farany rehefa tonga any amin’ilay toerana, izay vao mandoa vola ny mpanjifa na koa misafidy ny “money banking”. Amin` ny ankapobeany dia hatramin’ny 2.000 Ariary monja ny saram-panaterana ny sakafo raha eto Antananarivo Renivohitra fa kosa miankina amin` ny toerana ihany io sarany io. Misy ihany moa ireo olona miantso mananihany indraindray, fa tsy tena hividy akory. Fotoana kosa izao hahafahana manaraka ny fivoaran` ny teknolojia izay antoky ny fahombiazan` ny firenena matanjaka maro.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT