Sosialy

Entana miha lafo Manomboka tsy taka-bidy intsony ny anana


  • Talata 08 Martsa 2022

Lasa laokan'ny mpanan-karena ny anana amin'izao fotoana raha ireo sahirana no tena nalaza ho mpihinana azy taloha.

Raha tsiahivina kely mantsy dia mbola nahazo anana mahavita laoka tontolo andro ny 500 Ar teo aloha ho an'olona 3 mianaka. Ankehitriny anefa tsy izany intsony no mitranga sy iainan'ny vahoaka madinika fa ny tena mifanohitra amin'izany. 500 Ar mantsy vao mahazo anana fehezany iray izay tsy mahavita fangaron-daoka intsony. Raha araka ny fanadihadiana natao tamina mpivarotr'anana iray tetsyAnosibe dia hateany am-potony mihitsy no lafo ny anana vokatry ny fisiany. Saika matin'ny ranobe nandritra ireny andro ratsy nifanesisesy teto amintsika ireny mantsy ny anana raha manampy trotraka izany ny halafosan'ny vidin'ny zezika sy ireo karazana fanafody famonoana bibikely. Betsaka amin'ireo mpivarotra noho izany no tsy mivarotra anana toy ny teo aloha intsony fa aleony mivadika zavatra hafa. Ho an'ireo tokantrano sahirana kosa dia aleon'izy ireny indray mividy voamaina izay sady mitombo no mateza kibo toy izay hividy anana. Efa mivadika ambony ambany tanteraka araka izany ny fiainan'ny vahoaka Malagasy izay marihina fa toa tsy hitan'ny fitondram-panjakana mihitsy.
Pati
Legende :Lafo dia lafo ny vidin'ny anana eny an-tsena amin'izao
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT