Sosialy

Entana lany daty Saika hopoizinina Antsirabe


  • Alatsinainy 08 Jolay 2019

Nahatrarana entana lany daty 3 kamio ny tranombarotra iray ao Antsirabe nandritra ny fitsirihana nataon'ny avy eo anivon'ny minisiteran'ny indostria sy ny varotra ary ny asa tanana tamin’ny faran’ny herinandro teo.

 

 

 Mpandraharaha avy any amin'ny faritr’i DIANA sy Atsinanana no fantatra fa nandefa ireo entana ireo. Efa nogiazana avokoa ny entana rehetra, ary efa mandeha ny fanadihadiana amin'izao fotoana. Loharanom-baovao avy tamina olon-tsotra no nahazoana izao vokatra izao araka ny fanazavan'ny talem-paritry ny minisiteran'ny indostria sy ny varotra. Tra-tehaka tamin'izany ny vary, savony, menaka sy ireo karazana sakafo maro samihafa efa lany daty. Nandritra ny fotoana nanaovana ny fitsirihana dia kamio 3 lehibe avy any Antsiranana sy Toamasina mbola nitondra entana lany daty ihany koa no tra-tehaka. Menaka mahatratra 900 litatra, lafarina 1000 kg indray no hita tao . Nandraisana fepetra avy hatrany ary efa mandeha ny fanadihadiana mikasika ireo mpandraharaha nandefa ireo entana lany daty ireo. Manentana hatrany ny rehetra moa ny minisitera hanome vaovao haingana raha mahita fisiana entana lany daty tahaka izao. Tsy hijanona hatreto  fa hitohy hatrany ny fitsirihana atao raha ny fanambarana nataon’izy ireo.

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT