Sosialy

Entana lany daty miparitaka Roa isam-bolana ny fitarainana voarain’ny RNDC


  • Alakamisy 20 Desambra 2018

Miha mahazo vahana eto amintsika tato anatin’ny enim-bolana farany izao ny fiparitahan’ireo karazan’entana lany daty eny an-tsena izay tena mora tokoa ny vidiny.

 

 

 

 Fitarainana roa isam-bolana amin’izany no voarain’ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpianjifa na ny RNDC tarihin-dRabetsara Lita raha araka ny fanazavany izay nomarihiny tsara fa hiarahan’izy ireo miasa akaiky miaraka amin’ny Ministeran’ny varotra sy ny fanjifana.  Amin’ny ankapobeny anefa dia miisa 10.500 ireo orinasa nahazo taratasy fanamarinana hahafahany mivarotra sakafo azo antoka teto amintsika tamin’ity taona ity saingy mbola maro ihany ireo manaotao foana tsy manara-dalana. Miantso ny rehetra mba ho mailo araka izany ny fikambanana RNDC indrindra amin’izao ankatoky ny fety izao. Ankoatra ny vatomamy sy ny bisikoitra ary ny fraomazy sy ny maionezy dia  nomarihin-dRabetsara Lita fa misy ihany koa ireo karazana menaka mety atahorana hankarary sy ireo karazana sakafo anaty boaty. Tsy ireo mividy eny Isotry ihany anefa raha araka ny fanazavany no mety ho tratran’izany sakafo lany daty izany fa ahiana ihany koa ireo miantsena eny amin’ny magazay madinika sy ny tranom-barotra lehibe. Manainga ireo mahita sakafo lany daty ahiana hiteraka fahapoizinana ho an’ny mpiara-belona araka izany Rabetsara Lita mba hiantso ny laharam-pinday 034 30 812 34.  Ho an’ireo fitarainana voarain’izy ireo moa dia nomarihiny manokana fa misy azo toriana avy hatrany ireo mpivarotra satria manapoizina  ny mpiara-belona aminy.

 Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT