Sosialy

Entana ilaina andavanandro Manana tahiry enim-bolana i Madagasikara


  • Alarobia 18 Martsa 2020

Nisy omaly ny fivoriana niraisan’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny indostria sy ny avy amin’ny Minisiteran’ny varotra sy ny asa tànana manoloana ny famatsiana ny entana ilaina amin’ny andavanandro na ny PPN eto Madagasikara.

 

 

Niarahana tamin’ny vondron’ireo mpandraharaha, ny avy amin’ny sehatra tsy miankina, ny sampan-draharahan’ny ladoany, ny kaompania an-dranomasina,… Nambara fa manana tahiry 6 volana eo I Madagasikara hahafahana miatrika ny zava-misy. Olana goavana moa amin’izao ny fisian’ny coronavirus, izay miteraka fiakaran’ny vidim-piainana na koa fanararaotana tsotr’izao. Ireo indostria eto an-toerana no hetsehina hanentsina ny banga sy ny tsy fahampiana, raha ny fanomezan-toky. Hisy ny fanaraha-maso ny tsena ataon’ny Minisiteran’ny varotra eo anatrehan’izany, raha ny nambaran’ny Filoham-pirenena ny sabotsy 15 martsa teo, ary nanamafy an’io ny Minisitry ny varotra Lantosoa Rakotomalala, fa misy ny fitsirihana mandeha, ary tsy maintsy hidina ny vidim-bary hatramin’ny faran’ny herinandro. Miha midangana hatrany anefa ny vidin-javatra amin’izao fotoana izao, ka isan’izany ny vary izay efa tafiakatra hatrany amin’ny 2500Ar ny kilao amin’ny toerana sasantsasany. Voalaza ho antony mahatonga an’io ny fitotongan’ny sandan’ny vola ariary ho an’ny fanafarana, ary ny faharatsian’ny làlana ho an’ny vokatra ato anatiny. Na izany aza, tena tsy vitan’ny fanjakana ny manara-maso sy misoroka ny fanararaotana, ka andrasana ny fiovana. Ankoatra izay, dia nambara fa efa miasa ilay orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) izay hiantsoroka ireo entana ilaina amin’ny andavanandro.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT