Sosialy

Entana ilaina amin’ny loza voajanahary Hohafainganin’ny fadin-tseranana ny famoahana azy


  • Alakamisy 10 Oktobra 2019

Nametraka ilay tetikasa “Asyrec”, fomba fiasa vaovao amin`ny fanaraha-maso ireo entana tonga eny anivon’ny seranan-tsambo na seranam-piaramanidina ny fadin-tseranana.

 

 

 

 

 Efa manaiky ny vanim-potoana hisian’ny rivo-doza indray mantsy isika eto Madagasikara ankehitriny ka tsy hiandry filan-kevitry ny minisitra… vao afaka hivoaka ireo entana ilaina amin’ny fiahiana ny maha olona, hoy ny tale jeneralin’ny fadin-tseranana Atoa Zafivanoa Ernest fa amin’ny alalan’ity fomba fiasa vaovao ity ihany dia efa milamina. Noho ny hasarotan’ny antontan-drafitra tsy maintsy narahina hatramin`izay no antony nandraisana ny fanapahan-kevitra ankoatra ny fahafantarana fa mbola betsaka  amin’ireo entana tavela ao amin`ny fadin-tseranana no tokony hanampiana ny mpiara-belona niharam-boina saingy potika am-pitoerana fotsiny. Sakana tsy nahafahana namonjy ara-potoana ireo olona mila vonjy maika izany hoy hatrany izy. Hanamora ny fomba fiasa sy hisoroahana ny fiverimberenan`ny olana moa  no tena tanjon’ny fadin-tseranana izay  tohanan’ny CNUCED sy ny UNOCHA. Omaly no nampahafantarana izany tamim-pomba ôfisialy tetsy Antaninarenina.

 

Pati sy Marigny

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT