Sosialy

Endrika faharavan’ny fiarahamonina Notetehiny sy norasarasainy ny vadiny


  • Talata 18 Janoary 2022

Novonoina lehilahy iray tamin’ny fomba feno habibiana ny vadiny ny alin`ny 15 Janoary lasa teo tao Andrahanana, Distrikan’i Maroantsetra. Notetitetehany ny tanany, norasarasainy ny lohany sy ny vatany manontolo.

 Tezitra ny fokonolona sy ireo fianakaviana noho izany ka nikasa hanao fitsaram-bahoaka saingy efa nentina any amin’ny zandary ilay nahavanon-doza. Nodoran’izy ireo ny tranon’ireo « quartier mobile » sy ny lehiben'ny fokontany izay voalaza ho nanatitra ity lehilahy ity tany amin’ny zandary. Mbola mafana moa ny toe-draharaha any an-toerana saingy efa tonga namaha ny olana ny mpitandro filaminana miaraka amin'ny OMC. Tsy fantatra mazava ny tena anton’izao tranga mampalahelo izao, saingy na izany aza dia re ihany fa adin’ny mpivady sy disadisam-piaraha-monina no mety nitarika an-dralehilahy hahavita zavatra mahatsiravina tahaka izao.Tsy vao ity tany Maroantsetra ity ihany no nahitana tranga tahaka izao fa saika amina faritra maro manerana ny nosy, ary tsy any ambanivohitra heverina fat any lavitra andriaana ihany fa na dia eto Antananarivo Renivohitra aza.Efa tena endriky ny faharavan’ny fiarahamonina sy faahafatesan’ny soatoavina Malagasy ny zavatra feno habibiana tahaka izao hoy ny mpandinika fiarahhamonina iray.eo ilay fahantrana sy fahasahiranana , fa eo dia eo ihany koa ny tsy fahampian’ny fahaizana amam-pahalalana ka dia samy manao izay saim-pantany entin’ny tendrim-po tsy mba namana ny tsirairay.Ny resaka fahafantarana ny didy aman-dalàna moa dia tena mbola mila ezaka gooavana sy mankadiry ho an’ny olom-pirenena.Mila fanabeazana sy fanabeazana ny fiarahamonina raha tsy izany dia sanatria resaka tsy misy dikany no hifamonoana.
Nangonin’i Pati
Legende : Ity ilay lehilahy nahavanon-doza, efa tazonina ao amin’ny biraon’ny zandary
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT