Sosialy

Elakelan-tranon’Ambanidia Misy mangalatra mivarotra hatramin’ny 7 ora hariva


  • Sabotsy 18 Jolay 2020

Velon-taraina ny mponina eny Ambanidia izay monina eo anelakelan’ny tsena sy ny mpaompy manoloana ny afitsoky ny mpivarotra amina « Epicerie » iray eny an-toerana.

 

 

 

 

 Raha ny fanazavan’ny mpitaraina dia na aorian’ny amin’ny 12 ora aza, ary hatramin’ny 7 ora latsaka hariva eo mihitsy, dia mbola mangalatra mivarotra ihany. Efa hatramin'ny fotoana nihibohana hatrizay koa fa tsy vao izao ihany. Manohy ny fivarotana foana, mandondona eo amin’ny vavahady ny mpividy fa ny tsena mody akatony. Rehefa misy polisy na ilay mpijery ireny dia manao be saina be izy ireo manambany sy mody mitapy fotsiny, izany hoe, mody manasa lamba, mahandro sakafo, maniraka mpitsikilo,…, hoy hatrany ireo matahotra ny mety ho fiantraikan’izany fivarotana an-tsokosoko izany ao anatin’izao fipariahana valan’aretina izao. Tena matahotra mafy ny ho mety fihanaky ny COVID 19 amin'ny ataon’ity fivarotana ity izahay, hoy hatrany ny fitarainana, ka mangataka fanaraha-maso sy fepetra hentitra avy amin’ny tomponandraikitra.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT