Sosialy

Ekolazy isam-bolana Ny 50 %-n’ny mpianatra no mahaloa ara-dalàna


  • Sabotsy 14 Jolay 2018

Ny 50 %-n’ny mpianatra raha betsaka indrindra amin’izao no mahaloa saram-pianarana ara-dalàna, izany hoe mialoha ny fahadimin’ny volana hitsahina ho an’ireo sekoly tsy miankina.

 

Ny ampahatelony dia efa manakaiky ny faran’ny volana avokoa vao mahaefa izany raha mbola hifampitadiavana kosa ny 25 % ambiny. Noho ny fahasahiranana sedrain’ny ray aman-dreny ankehitriny no antony ka ny vanim-potoana manakaiky ny fanadinana fifindran-kilasy sy ny fanadinam-panjakana tahaka izao no tena mafy amin’izy ireo. Tsy maintsy mandoa ny karaman’ireo mpampianatra ao aminy mantsy ny sekoly nefa tsy misy mahaloa saram-pianarana ara-potoana eo an-daniny ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Vokatr’izay tranga izay dia voatery mandefa ireo mpianatra mody mihitsy izy ireo amin’ny farany na koa tsy manome ny taratasy fiantsoana azy hiatrika fanadinana. Misy fiantraikany amin’ny sain’ireo mpianatra anefa izany, indrindra fa ho an’ireo hiatrika fanadinana koa hanairana antsika ray aman-dreny. Na inona na inona mantsy fahasahiranana dia anisan’ny tsy azo leferina ny fampianaran-janaka.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT