Sosialy

Efa vonoina mihitsy ve ny Gasy ? Hiakatra ny saran-dàlana, jiro sy rano, solika,…


  • Alarobia 19 Jolay 2023

Tsy finiavana hitanisa zava-dratsy fa efa tena henjana ny zavatra ampiainina ilay vahoaka Malagasy ankehitriny. Efa difotry ny fahantrana sy fahasahiranana tanteraka kanefa mbola tandindonin’olona vaovao hafa.

Mbola vitan’ny mpitondra Fanjakana miainga amin’ny Filoham-pirenena anefa ny mirehareha ho mahavita azy sy mahay mitantana firenena. Isan’ireny ilay nilazany fa mahay mitantana izy eo anatrehan’ny sandan’ny vola Ariary izay 5000A vao mahazo euro iray, saingy sahiny ny niteny fa raha tsy nahay nitantana izy efa 10 000Ar io. Asa mba tsaroany ve fa talohan’ny fanonganam-panjakana nataony tamin’ny 2009 anie ka 1280Ar ny sandan’ny 1euro, ary nialohan’ny naha Filoha azy tamin’ny 2019, dia mbola tany ho any amin’ny 3500Ar. Manambara hampiakatra saran-dàlana ny zotra nasionaly manomboka ny 22 jolay ary efa tsy mihemotra intsony. Voalaza ohatra, fa hiakatra ho 60 000Ar ny zotra Antananarivo-Mahajanga raha 50 000Ar teo aloha; Antananarivo Toamasina ho lasa 35 000Ar raha 30 000Ar teo aloha,… Ny vidin-tsolika, tsy mbola nisy teo amin’ny tantara izany tonga dia fiakarana 1800Ar sy 1500Ar isaky ny litatra izany, raha tsy tao anatin’ity fitondrana Rajoelina ity tamin’ny jolay 2022, kanefa efa mila miomana indray fa hisy ny fampiakarana amin’ny fiandohan’ny taona 2024. Ny faktioran’ny Jirama, efa nisy ny fampiharana ny “Optima business” izay fampiakarana ny faktiora ho ana sokajina mpanjifa sasany tahaka ny orinasa, saingy mbola mananontanona ihany koa ny fampiakarana faktiora amin’io fiandohan’ny taona 2024 io. Ankehitriny efa ny androantokon’ny fotoana no tapaka ny herinaratra, saingy ny faktiora vao mainka aza miakatra, kanefa dia mbola mananontanona ihany koa ny fiakaran’ny faktiora afaka volana vitsy, mba hizorana tsikelikely makany amin’ny vidiny tena izy na “vérité de prix” tahaka ny amin’ny solika ihany. Ny olana anefa, tsy misy ny vahaolana ara-toekarena sy ara-tsosialy mahomby avy amin’ny mpitondra fa fireharehana sy “werawera” amin’ny tsy misy dikany no betsaka. Vao ny solika no miakatra, dia miakatra ny saran-dàlana, miakatra ny vidim-piainana amin’ny ankampobeny. Tsy nahomby sa poakaty ilay SPM (State Procurement of Madagascar) tamin’ny fanafarana solika mivantana? Raha miverina amin’ny teo aloha, nampanantenaina vahaolana ara-tsosialy momba ny fampiakaran-karama mba hiatrehana ny fipoahan’ny vidin-tsolika miantraika avy hatrany amin’ny vidim-pianana ny Fanjakana raha ny tamin’ny 2022, saingy efa herintaona mahery aty aoriana isika tsy nisy fa poakaty, ary ny volan’ny CNaPS izay iankinan’ny fisotroan-dronon’ny mpiasa tsy miankina aza no toa noloarana tao. Ny an’ny mpitatitra manokana, fanafarana fiarabe 1000 mialohan’ny faran’ny taona 2022 no mba hany vahaolana petatoko ho an’Antananarivo Renivohitra, kinanjo nitsefotra indray satria mety hevitra taingina fotsiny. Tena izao ve ilay fahaiza-mitantana nolazaina tamin’ny fandaharana ny 16 jolay teo? Tena izao ve ilay hoe: hanova an’I Madagasikara ho sangany aty Afrika ao anatin’ny 5 taona? Izao ve no mbola hotohizana 5 taona manaraka?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT