Sosialy

Efa tena zava-doza Mirehitra i Madagasikara iray manontolo


  • Alatsinainy 22 Novambra 2021

Tsy misy faritra iray tsy ahitana doro ala sy doro tanety eto Madagasikara amin’izao fotoana izao, raha sary avy amin’ny satelita na zana-bolana nivoaka ny sabotsy 20 novambra lasa teo.

Misy ireo teboka mavo, dia sarin’ny toerana mirehitra azo avy amin’ny teknolojia VIIRS (Visible Infrared Imaging Radiometer Suite). Ny velaran’ny toerana mirehitra kely indrindra hita avy amin’io teknolojia io dia 1,50 metatra ny savaivony,nhoy ny tatitra. Io teknolojia io hatreto no raitra indrindra, ary ahazoana manaitra ny tompon’andraikitra ety an-tany raha vao manomboka fotsiny ny afo. Eo ihany koa ireo teboka mena azon’ny satelita avy amin’ny teknolojia antsoina hoe MODIS (Moderate Resolution Imaging Spectroradiometer). Ny velaran’na toerana mirehitra farany kely indrindra azo avy amin’ity teknolojia ity dia manomboka eo amin’ny 1 kilaometatra ny savaivony, izany hoe rehefa hita dia midika izay fa efa midadasika ihany ny faritra mirehitra. Nisy ihany koa sarina ala sy tanety mirehitra naseho kosa dia nalaina ny 19 novambra, avy eny ambony fiaramanidina nampitohy an’Antananarivo sy Taolagnaro, fony izy nisidina ny faritry ny Ala Atsinanana. Tena mirehitra Madagasikara, potika tanteraka, ekena fa hireharehan’ny Tompon’andraikitra ara-panjakana ny hoe: mihazakazaka amin’ny fandrakofana ala, ary avo roa heny amin’ny tanjona napetraka, saingy mila matotra ny paikady hisakanana sy hifehezana ny fahapotehana mandeha. Efa miharihary amin’ny fiainana andavanandro ny doro tanety sy doro ala satria io iaraha-mahita io ny tsy fitotsahan’ny orana kanefa ny volana novambra efa hifarana. Ny hafanana efa tena tsy zaka, miteraka aretina samihafa, ny rano mihena ary tsy ampy intsony.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT