Sosialy

Efa loza mihatra amin’ny fiarahamonina Voarebirebin’ny rongony ny tanora mpianatra


  • Alatsinainy 10 Oktobra 2022

Manaitra ireo ray amandreny ny zandarimariam-pirenena noho ny fihanaky ny rongony amin’izao fotoana : « Ry Ray aman-dreny: andao hiara-hiasa aminay.

Araho maso ny zanantsika ,izahay hanenjika ireo tsy mataho-tody. Fongarintsika hatrany am-potony ireo hoy ny eo anivon’ny zandarimaria ». Tsy tongatonga ho azy izany fa misy antony ary tena mampivarahontsana fa miha tanora ny mpifoka rongony eto Madagasikara amin’izao fotoana.Ny faran’ny herinandro teo izao dia tratran’ny Zandary teny Ambohibao teo am-pivarotana rongony akaikin'ny sekoly iray tao amin'ny fokontany Morondava Ambohibao Antehiroka ny olona roa , lahy sy vavy. Efa ela no henon'ny Zandary ny momba azy ireo, ary mitety sy mandresy lahatra ireo ankizy tsy ampy taona mihitsy izy ireo mba hividy sy hifoka rongony, raha ny fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena. Mazava be fa matoa ny mpivarotra tonga miverimberna eo amina toerana iray dia misy mpanjifa izany eo ; izay eo ihany fa ny tena loza dia ankizy mpianatra, tsy ampy taona ny ankamaroany satria latsaky ny 18 taona ireo mpanjifa. Raha ny fanadihadiana natao dia misy aza any amin’ny kilasy 4eme sy 3eme dia efa midoroka zava-mahadomelina.Rehefa miha lehibe ireny ankizy ireny dia mitombo ilay filana sy fitadiavana ka mitady zavatra mafy kokoa dia lasa tafaroboka any amin’ny fihinana pilina , sy rongony mahery vaika amin’ilay atsindrona. Mikorontana ny saina sy ny fiainana avy eo dia tsymisy fiarana vita.Ireny tanora ireny indray no mitsimbadika ho jiolahy avy eo dia inona moa ny hiafarany fa na maty voatifitry ny mpitandro filaminana, na matin’ny fitsaram-bahoaka na lasa eny am-ponja.

Efa tsy voahaja intsony eto Madagasikara ny elanelana takian’ny lalàna eo amin’ny sekoly sy ireo toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola.Samy mahita ny tompon’andriakitry ny fokontany sy kaominina fa mitazam-potsiny tsy mampihatra lalàna.Izao efa tonga manakaiky sekoly koa izany ny mpivarotra rongony.
RTT
.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT