Sosialy

Efa-bolana tsy nianatra Nidina an-dalambe ny mpianatry ny pôliteky


  • Talata 28 Janoary 2020

Leo ny tsy fianarana mandritra ny fotoana maharitra ireo mpianatra eny amin’ny pôliteknika Vontovorona.

 

 

 

Raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpianatra Andrianjanaka Toky Nambinina  omaly mantsy dia efa efa-bolana izy ireo izao no tsy afa-nianatra ara-dalàna intsony vokatry ny fitokonan’ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra. Eo an-danin’izay dia tsy hankasitrahan’izy ireo ihany koa ny nanafoanan’ny minisitry ny fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana siantifika ilay fanaovana memoire de licence ao amin’ny taona fahatelo izay nomarihin’ity filohan’ny mpianatra ity  manokana fa tena manan-danja be  amin’ny fiatrehany ny fikarohana hataony sy ireo namany any aoriana. Voatery nidina an-dalambe izy ireo omaly mitaky ny hamerenana haingana ny fampianarana sy hamerenana amin’ny laoniny io memoire de licence io. Efa nisy moa tamin’ny herinandro lasa teo ny 72 ora nomen’ireto mpianatra  ireto  ny mpitondra fanjakana saingy tsy nisy mpihaino izany. Andrasana raha mbola hitohy anio ity fitokonana hataon’ny mpianatry ny politeknika eny Vontovorona ity na tsia.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT