Sosialy

Editions Jeunes Malgaches Hamporisika ny ankizy ho tia mamaky boky


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Hisy boky miisa 6 izay navadika ho feo handeha maimaimpoana isan'andro ao amin'ireo onjam-peo mandrafitra ny “Coalition des radios”, izay maherin` ny 50 isa,

 

 

mba hanomezana fialamboly ny ankizy sy amporisihina azy ireo ho tia mamaky boky mandritra izao fotoana tsy hianaran'ny mpianatra izao araka ny fampitaham-baovao nataon` ny teo anivon` ny « Editions Jeunes Malgaches » . Na dia misy aza ny fitokana monina faobe ho an'ny Malagasy rehetra dia tsy tokony ho adinon'ny ankizy ny mamerin-desona sy mijerijery kahie indraindray. Amin'izao koa dia afaka hihaino tantara ihany koa izy ireo amin'ny vata fandraisam-peo isan'andro mandritra ny iray volana ka araho eto àry ny fandaharan'ireo radio misy any amin'ny faritra misy anao ahafahanao manaraka ireo tantara mahafinaritra nosoratan'ireo mpanoratra malagasy miisa 4. Tsy iza izany fa Rakotoanosy Marie Michèle, Ralimahenintsoa Jeanne, Veloniaina Rabakoly ary i Arikaomisa Randria. Hisy ihany koa famoahana ireo boky navadika ho feo ireo eto amin'ny tambazotra facebook fa mba mangataka ny rehetra mba tsy handika azy ireo ka hanaparitaka azy fa misy zon'ny mpamorona mila hajaina. Entanina koa isika manana fahefa-mividy mba hividy ny bokin'ireo mpanoratra ireo rehefa miverina amin'ny laoniny ny fiainam-pirenena mba ho fanohanana sy fisaorana azy ireo nanao maimaipoana ity hetsika ity, hoy hatrany ny mpikarakara.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT