sandam-bolantsika»
Tsy tongatonga ho azy ny fitondràna ankehitriny, hoy ny mpisehatra ara-toekarena eo amin’ny fizahantany, Durlin Retogniane, fa nisy ny hetahetan’ny vahoaka tao. Tafajoro izany ankehitriny, hoy izy, saingy tsy anatina tetezamita toy izao no ahafahana mametraka fiaingàna ara-toekarena. Betsaka ny tokony harenina eto amin’ny firenena. Eo ny fikasàna hikarakara fikaonandoham-pirenena izay iantsoana ny vondron-kery maro samihafa mba hahafahantsika mametraka fototra iampitàna mankany amin’ny repoblika faha 5. Ahoana ny fomba ahafahan’ny fitondràm-panjakàna mijoro manamarin-toerana ny zava-drehetra eto amin’ny firenena ka ahafahantsika manatanteraka soamantsara ilay fikaonandoham-pirenena ka any isika vao miheritreritra izay fanarenana ny toekarena izay? Somary manahirana ihany na ny vola aza amin’izao fotoana izao. Tsy tongatonga ho azy ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara hoe mipetraka ny «politique d’austérité» na politikan’ny fitsitsiana. Tokony amin-javatra mipaka amin’ny filàm-bahoaka no dikan’izany ny fampiasam-bola. Mampandeha raharaha izany no tokony anjaran’ny fitondràm-panjakàna mijoro amin’izao fotoana izao. Mazava ny nambaran’ny filohan’ny fanavaozana fa mirona any amin’ny famahana ny olana mampikaikaika ny vahoaka amin’izao no anjara asan-drizareo. Eo ny olan’ny fahatapahan’ny herinaratra sy ny tsy fahampian-drano. Eo ny ady amin’ny kolikoly. Izany no imasoan’ny fitondràna ankehitriny fa raha resaka fanarenana toekarena izany kosa dia mbola betsaka ny tokony ho resahina. Tsy amin’izao odidina misy izao no iresahana izany fa any amin’ny fikaonandoham-pirenena no hiresahana fanarenana toekarena. Eo no akàna ny hevitry ny rehetra hametrahana ny fototra hahafahana manainga ny toekarentsika manomboka amin’ny repoblika faha 5. Mila heverina aloha izany izay hahamari-toerana ny sandam-bolantsika. Ahoana no ahafahantsika miantoka ny filaminana anatin’i Madagasikara satria izay ihany no ahafahantsika misarika tsikelikely ireo mpampiasa vola vahiny ihany koa hanampy amin’ny fanamarinana ny toeran’ny vola Ariary izay? Ahoana ihany koa no ahafahantsika miantoka ny fandriampahaleman’ireo mpizahantany ho avy eto ireo satria niaraha-nahalala fa nisahotaka ny firenentsika teo aloha teo? Raha sanatrian’ny vava hisy ny fidangan’ny vidim-piainana izay mety tsy ho zakantsika, indrindra, ireo olona marefo sy tsy manana fidiram-bola amin’izao fotoana izao dia ho lasa hivadika zavatra hafa amin’izay fotoana izay. Io fikaonandoham-pirenena io izany no andrasan’ny rehetra ahafahantsika maka ny hevitry ny rehetra sy maka fototra ankanesana any amin’ny repoblika faha 5, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.