Sosialy

Durlin Retogniane “Mikaikaika koa ireo mpamboly sy mpiompy ary mpanjono”


  • Talata 24 Mey 2022

Miadana ny fiaingana amin’ny resaka fizahantany eto Madagasikara izao, hoy ny manam-pahaizana momba azy io, Durlin Retogniane.

Tsy misy politika mazava apetraky ny minisitera momba izany, hoy izy. Na fizahantany anatiny, izany hoe ny fampandehanana ireo mpizahantany Malagasy izay efa ambany rahateo ny fahefa-mividiny, na ny fisarihana ireo mpizahantany avy any ivelany ho eto Madagasikara. Mikasika ny filazana fa efa tafaverina eto ny 50%n’ireo mpizahantany dia mampametra-panontaniana ihany. 50%n’ilay tarehimarika talohan’ny Covid 19 ve ireo na ilay 350.000 isa? Sa amin’ilay vinavinan’ny fotondram-panjakana hoe 500.000 isa mandra-pahatonga ny 2023? Raha ny hita aloha dia mbola kely ireo mpizahantany tonga mitsidika an’I Madagasikara satria mbola vitsy ireo fiserana dia na “agence de voyage” voakasik’izany. Hita taratra amin’ny fivezivezen’ireo fiara fitaterahana mpizahantany ofaina eny amin’ny lalam-pirenena samihafa izany. Raha tsy hiresaka afa-tsy ny mampifandray iny lalam-pirenena fahafito na RN 7 miala eto Antananarivo ho any Toliara iny isika, ohatra. Mba firy koa, ohatra, ireo fampanofana fiara na “agence de location de voiture” mivezivezy amin’iny “Allée des Baobab” mankany Morondava iny? Na ny lalana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina eo amin’ny RN 2 na ny RN 4 mampitohy an’Antananarivo sy Mahajanga satria lalam-pizahantany na “axe touristique” daholo izany. Mikaikaika koa amintsika miteny izao ireo mpamboly sy mpiompy ary mpanjono, izay mpisehatra tsy mivantana amin’ny fizahantany, satria misy ny vokatra fa tsy misy ny mpividy. Ny mpizahantany no tena mpanjifan’ireny voalohany, raha tsy hiresaka afa-tsy ny ao Sainte Marie isika, ohatra. Mila fantarintsika aloha hoe inona no vokatra mampiavaka an’i Madagasikara ahafahana mitodika amin’izay firenena mankafy sy tokony handray izany dia miainga amin’izay avy eo no hanohizana azy. Izay no vahaolana fohy ezaka, hoy hatrany ity tekinisianina ity.

J. Mirija

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT