Mampalahelo ny mahazo ny vahoaka malagasy amin’izao fotoana izao,
indrindra, amin’ity fahaverezana ain’olona maro vokatry ny resaka fahapoizinana sy fanapoizinana ara-tsakafo ity, hoy ny mpanao politika sady manam-pahaizana momba ny resaka tontolo iainana, Dr Souleman Andriamandimby. Ilaina ny mampahafantatra ny tena marina mikasika azy io ho an’ny vahoaka malagasy, hoy izy, satria be dia be ny mety ho antony. Misy akony amin’ny tontolo iainana io, amin’ny fizahantany satria be dia be ny vahiny mety te hitsidika an’i Madagasikara nefa ho kamo ho aty izao ry zareo noho io resaka sakafo tsy mazava io. Handray ny fihaonamben’ny SADC koa isika io izao. Sao dia ny tsy fahafantarana ny tena marina amin’io no antony iray mety hisintona ny sain’ireo vahiny ireo amina trangan-javatra maro samihafa? Tsy miteny aho sanatria hoe tsy haharaikitra ilay fihaonana fa mety hampisy olana anatin’ny fikarakaràna satria hanimba ny sarin’ny firenena amin’ny sehatra iraisampirenena io resaka sakafo io. Entanina, noho izany, ny tomponandraikitra rehetra hatrany ifotony hitady ny marina mikasika an’io raharaha io. Sosokevitra ny hoe, araka ny lalàna, dia misy ny atao hoe «compensation» na fanonerana, na amin’ny maha olombelona io na resaka tontolo iainana. Tokony ho jeren’ny fanjakàna, noho izany, ny ahafahana manampy ny fianakavian’ireo niharam-pahavoazana tao anatin’ity raharaha ity. Nisy maty Ray, izay andrin’ny famelomana ny fianakaviana tao. Tsy manana fidiram-bola intsony ilay fianakaviana. Tokony hijery ny azo anampiana ireo fianakaviana ireo ny fanjakàna! Ny nampalahelo dia nisy fampisehoana teto nanaovana fisaonam-pirenena saingy fisaonam-pirenena mahakasika loza ny seho tany amina seranam-piaramanidina tany ivelany indray no natao. Ny tranga eto Madagasikara atao ambany maso tsy hita, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.