Sosialy

Dr Fiarovana Lovanirina Manentana ireo tantsaha hitahiry vary


  • Alakamisy 28 Mey 2020

Fotoanan` ny fararano ny mponina any amin` ny distrikan`i Betafo. Misy fidinan` ny vidim-bary any amin` ireo toerana fanangonam-bary.

 

 

 

Manodidina ny 800 ariary sy 1 000 ariary ny kilaon` ny vary akotry, ary 5 000 ariary hatramin`ny 7 000 ariary ny daba any ambanivohitra. Manoloana izany, miantso ireo tantsaha mba hitahiry ny variny ny solombavambahoaka voafidy tany amin` ny disitrikan`i Betafo, Dr Fiarovana Lovanirina Célestin. 90%n` ny mponina ao Betafo rahateo dia tantsaha avokoa. Namafisiny hatrany fa tokony hiomana isika amin` izoa fiatrehana ny aretina “coronavirus” izao satria tsy afaka hanondrana vary ireo firenen-dehibe toa an` Inde sy Sina. Mamporisika hatrany ny tantsaha ny tenany hanao laharam-pahamehana ny fitahirizana vary fa tsy ho faly hivarotra fotsiny, kanefa afaka telo volana, hividy lafo avy roan a telo heny amin` ireo mpanam-bolam indray.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT