Sosialy

Dr Faramalala eny Vinany Voan’ny homamiadan’ny ra, mila fanampiana


  • Alakamisy 18 Febroary 2021

Tratry ny aretin’ny homamiadan’ny ra mahery vaika dokotera Faramalala eny Vinany Itaosy,

 

 

 fantatra amin’ny tena anarana hoe :Andriantsilavo Faramalala. Raha tsiahivina kely ny tantarany dia nanolo-tena hatrany ho an’ireo marary tonga ao aminy sy ho an’ny fireneny, ny vehivavy ary tsy mitsahatra amin’izany asa fanasoavana izany na andro na alina. Ireo ankizy sempotra tsy voadio hatrany an-kibo, mikohokabe… no tena mahazo tombony amin’izany. Misy amin’ireny karazan’olona ireny anefa no tsy manan-komena na dia Ariary monja aza, saingy tsy natosiky dokotera Fara akory. Mandalo fotoan-tsarotra anefa dokotera Faramalala ankehitriny. Tsy maintsy any ivelany izy no tsaboina raha araka ny fantatra koa mangataka tolo-tanana amintsika tsara sitrapo sy malala-tanana ireo fianakaviany. Ny laharam-pinday 034 37 871 69 sy 033 14 483 84 no hahafahana mifandray haingana amin’ireo fianakaviany. Entina avy hatrany any Frantsa moa dokotera Faramalala raha vantany vao voavory ireo vola rehetra ilaina amin’izany.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT