Sosialy

Dokotera Joseph Ramiandrisoa « Nidina ny fari-piainan’ny olona, dia nalaina nifidy izy ireo »


  • Zoma 06 Desambra 2019

Niaraha-nahita fa nihena ho 25% ny taham-pahavitrihan’ny mpifidy tonga nifidy, ny 27 novambra teo.

 

 

 

 Na dia teo aza ireo karazana kiana samihafa toy ny tsy fahatomombanan’ny lisi-pifidianana, ny fanatovanana ny anaran’ny mpifidy, ny tsy fahamatorana tamin’ny fikarakarana iny fifidianana ben’ny tanàna iny, dia nilaza ny dokotera Joseph Ramiandrisoa sady ministra teo aloha,  fa nalaina nifidy ny mpifidy, noho ireto antony ireto. Nambarany, fa noho ny fari-piainan’ny olona nidina ambany no nampalaina ireo mpifidy. Faharoa, fototry ny olana tamin’ny fikirakirana ny fifidianana rehetra niseho teto iny koa ny vaomiera misahana ny fifidianana na ny Ceni, hoy izy, fa tsy dia leo politika loatra ny mpifidy. Fahatelo, eo koa ny fanaovana hosoka sy ny halatra maro samy hafa, ka antony tsy nampazoto ny mpifidy tonga nifidy intsony izany, hoy ny fanazavany.  Tokony hisy ny fanorenana ifotony mikasika sy ny momba ny fifidianana, indrindra fa ny lisitra, mba tsy hiverenan’ny olana amin’ny fifidianana manaraka eo intsony, hoy hatrany ity dokotera ity.

Sitraka r.     

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT