Sosialy

Distrikan’Ihosy Nialana ny fomba tsy mampandroso


  • Alatsinainy 25 Febroary 2019

Mbola maro fomba ny any amin’ny faritr’Ihorombe. Anisan’izany ny fomba bara izay tsy mampiana-janaka.

 Tokony hialana izany, hoy ny depiote taloha lany tao amin’ny distrikan’I Ihosy, Razafimandimby Germain Boniface fa tsy miteraka fampandrosoana. Izany indrindra no antony nananganana sekoly maro. Tsy maintsy tohizana ihany koa ny  ady amin’ny tsy fandriampahalemana any amin’io distrika io. Mampalaza ny distrikan’Ihosy ihany koa ny ady mafy tsy maintsy atao amin’ny tsy fifanarahan’ny fianakaviana any izay tena miady sy mifandrava tanteraka. Manjaka tanteraka any ny tsy fifankahazona ka miteraka sakana ho amin’ny fampandrosoana. Maro be ny ezaka natao tamin’izany olana rehetra izany, hoy ny depiote teo aloha ary nisy mihitsy ny fametrahana ny mpitandro ny filaminana nandamina tanteraka ny tsy fandriampahalemana. Ankotr’izay dia miandry ny fampanantenan’ny filoham-pirenena vaovao ny amin’ny angidimby nampanantenainy momba ny ady amin’ny dahalo ny mponina. Nanamarika ihany koa anefa ity depiote teo aloha ity fa nilamina be nanomboka 2 volana izay ny tanàna any Ihosy. Tanàna manankarena Ihosy ary tsiahivina ihany koa fa  tamin’ny bakalorea farany teo dia ny ankizy tany  no nahazo voalohany ary efa nahazo vatsim-pinarana lasa any ivelany mihitsy. Fiompiana sy fambolena ary ny fizahantany no harenan’ity faritra ity ary mampalaza azy ny hatsarana ao Isalo izay mitana ny laharana voalohany amin’ny sehatra fizahntany eto Madagasikara. Ankoatr’izay dia ny distrikan’Ihosy no manana omby betsaka indrindra eto Madagasikara sady manana harena ankibon’ny tany tahaka ny ao Ilakaka izay renivohitry ny safira. Ankoatra ireo fomba maro tsy mampandroso tokony hialana dia nanao atso avo ny amin’ny filàna tohadrano  amin’ny fanjakana ny mponina any Ihosy.

Tsirinasolo

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT