Sosialy

Distrikan’i Tsihombe Nizara sakafo sy rano ny Minisiteran’ny mponina


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2020

Nizara Sakafo manta sy masaka ary Rano, niaraka tamin-dy Masera tany Tsihombe ny Minisitry ny mponina Rtoa Bavy Angelica sy ny Depiote voafidy tany an-toerana Rtoa

 

 

 

Masy Goulamaly ny faran’ny herinandro teo. Raketa mena, azo atao sakafo sy azo atao fanafody ihany koa. Isaorana betsaka ry Masera eto Tsihombe amin'ny fanateran'izy ireo ny rano ho an'ny vahoaka aty amin'ny toerana izay tena lavitra tokoa, hoy ny Minisitra. Fokontany 3 no voatsidika dia n tao Ambanivohitr'Imongy, Distrikan'i Tsihombe; ny fokontanin'Imongo tampon-tanàna, ny fokontanin'Andranovato ary ny fokontanin'Ambaro Nord. Niarahana hatrany tamin-dry Masera sy ny Solombavambahoakan'i Tsihombe Ramatoa Masy Goulamaly izany, izay nitondrana rano fisotro madio sy sakafo vonjimaika ho an'ireo mpiray Tanindrazana aty an-toerana. Nisy ihany koa ny fifandrimbonan'ny ekipa eo anivon'ny Minisiteran’ny mponina sy ny Minisiteran'ny ati-tany amin'ny fanamboarana ny kopia ho an'ireo zaza izay mbola tsy manana an'izany amin'ny tampon-tanànan'i Tsihombe ka maimaim-poana ny fanaovana azy. Fanombohana ihany izao natao izao fa rariny loatra raha toa ka misy ny fitohizan'io hetsika io ho tombontsoan'ny vahoaka ka tsara raha mba mijery izany akaiky ny tompon'andraikitra isan-tokony ary maneho ny fiaraha-mientana anatin'izany, hoy ny Minisiteran’ny mponina, fa ny raketa mena, dia azo atao sakafo sy azo atao fanafody ihany koa. Any amin'ny faritra Atsimon'ny Nosy no tena misy azy io, toy ny ao amin'ny Distrikan'i Tsihombe, Faritra Androy. Zava-dehibe ny fizarana zavatra tahaka izao, ary mety mahavita izay ho vitany, fa ny hirariana dia hisian’ny vahaolana mafonja sy maharitra.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT