Sosialy

Distrikan’i Miarinarivo Nametrahana milina fanodinana voanjo


  • Zoma 19 Mey 2023

Nanolotra milina fanodinana ny voanjo ho lasa menaka tao amin'ny distrikan'i Miarinarivo sady nametraka tamin'ny toerany ireo mpikambana maharitra ao amin'ny Antenimieran'ny Varotra sy Indostria (CCI)

Faritra Itasy ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana, Edgard Razafindravahy ny alarobia 17 may 2023. Nambara fa fanomezana hasina ny mpandraharaha izany no sady fikarakarana ny fiveloman'ny mponina eny ifotony. Nahitsy ny tenin'ny Minisitra Edgard Razafindravahy fa fitsinjaram-pahefana ara-toekarena mitsinjo ny fihariana eny ifotony ny Tetikasa ODOF. Nohazavain'ny Minisitra tamin'ireo mpanatrika ny atao hoe "Décentralisation économique" na Fitsinjaram-pahefana ara-toekarena, izany hoe miainga eny ifotony ny famokarana sy ny famoronan-karena. Nampanantena moa ity minisitra ity fa tsy hisy na distrika iray aza tsy hahazo ny anjarany amin’ity Fandaharanasa ODOF (One District One Factory) ity, ary hahazo tombony avokoa ny rehetra: ny tantsaha, ny mpandraharaha. Notsipihiny fa rehefa mandroso ny famokarana amin’ireo milina natolotra dia hihena ny fanafarana entana avy any ivelany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT