Sosialy

Distrikan’i Marovoay Marobe ireo marary mila fitsaboana


  • Zoma 03 Febroary 2023

Marobe ireo olona marary mila fitsaboana any amin’ny distrikan’i Marovoay taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Cheneso.

Lohalaharana amin’izany ireo lasibatry ny aretin’ny taovam-pisefoana sy ireo tratry ny tazo izay tsy hanavahana sokajin-taona. Izany indrindra no antony handalovan’ilay fitsaboana mitety vohitra any an-toerana izay efa nandray olona miisa 220 sahady omaly tontolo andro, miaraka amin’ny filoha Andry Rajoelina. Ankoatra ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana sy ny fanomezana fanafody mifandraika amin’izany moa dia fantatra ihany koa fa misy ny fitarafana ho an’ny vehivavy bevohoka, ny fitiliana ny aretina diabeta, ny fitiliana maso….Miisa 770 kosa ireo olona nozaraina koba aina sy sakafo mafana, hetsika niarahana tamin’ny fikambanana Fitia. Narahin’ny fanentanana sy ny fampahafantarana ny ady hatao amin’ny herisetra niarahana tamin’ny fikambanana Fitia izany izay marihina fa misy sy mahazo vahana hatrany eto amintsika. Nentanina moa ireo mahatsiaro ny tenany ho lasibatra mba ho sahy hitoroka avy hatrany fa tsy sanatria hiafy hatrany ka mety hihafara amin’ny famonoana na famoizana ny aina mihitsy izany. Natoro azy ireo fa ankoatra ny herisetra ara-batana dia misy ihany koa ny herisetra ara-moraly sy ara-nofo ary ny ara-pivelomana. Miisa 3 moa raha tsiahivina ireo olona mbola tsy hita popoka any Marovoay raha mihoatra ny 2000 isa ireo traboina.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT