Sosialy

Distrikan’i Farafangana Tokantrano 826 isa nisitraka sakafo maimaimpoana


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Tokantrano miisa 826 ahitana zaza latsaky ny 05 taona sy vehivavy bevohoka tsy ampy sakafo ary vehivavy

mampinono tsy ampy sakafo an’arivony no nisitraka sakafo maimaim-poana tany amin’ny distrikan’i Farafangana. Vokatry ny fiaraha- miasa teo amin' ny depioten' i Farafangana Raheriarijaona Regina Clarisse sy ny ONN ary ny Minisiteran' ny mponina no angady nananana sy vy nahitana izany. Anisan’ny nahazo tombontsoa tamin’izany ireo fianakaviana ao amin' ny Fokontany Bemahala, Agnaviavy ary Sarambendra samy ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Tovona, distrikan' i Farafangana. Vary milanja 25 kilao, tsaramaso 05 kilao, menaka 01 litatra isan- tokatrano no natolotra tamin’izany, hetsika tafiditra ao anatin' ny fanampiana ny mpiara- belona manoloana ny ady amin' ny tsy fanjarian- tsakafo any amin' iny faritra Atsimo Atsinanan’ny Nosy iny. Mbola hitohy ny hetsika fanohanana ireo fianakaviana marefo tahaka izao any amin’ireo Fokontany miisa telo ireo, hoy hatrany ity solombavambahoaka iray ity.
Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanampiana
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT