Sosialy

Distrikan’i Betroka Misy aretina vokatry ny tsy fahampian-drano mamely ny ankizy


  • Talata 07 Janoary 2020

Ankizy manodidina ny efatra, teo anelanelan’ny roa ka hatramin’ny efa-taona no nandoha hafahafa no sady nipipy niloko mavo mena ny herinandro lasa teo tany amin’ny Fokontany iray ao anatin’ny distrikan’i Betroka.

 

  

Natahotra sy nihorohoro vokatr’izany ny rehetra saingy rehefa nanadihady ny toe-pahasalaman’ireo ankizy ireo ny Ministeran’ny Fahasalamana dia nanambara fa aretina vokatry ny tsy fahampian-drano no nahazo azy ireo. Notsipihin’ny dokotera Manitra Rakotoarivony ary fa tsy voatery hanana saribao mirehitra ao an-trano ny tokantrano iray vao afaka mampisotro rano azo antoka ny menaky ny ainy. Tsy voatery hampiasana filtre à eau ihany koa hoy izy na ireny  sur’eau ireny rehefa tena sahirana fa tavoahangy plastika madio tsara no hampiasaina dia efa ampy. Apetraka tsara eo ambony tafon-trano azon’ny masoandro tsara mandritra ny adin’ny valo izany rehefa feno rano dia efa azo sotroina, eny fa na dia ho an’ireo ankizy madinika aza. Nomarihin’ity dokotera ity moa fa tena mila rano ny vatan’olombelona indrindra amin’izao andro mafana be izao ary tsy voatery mahatsiaro ho mangetaheta vao misotro fa hatao fahazarana mihitsy izany mba hahasalama.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT