Sosialy

Distrikan’i Beroroha Mbola 400 Ar ny iray kapoaka amin’ny vary


  • Talata 28 Febroary 2023

Toa tsy mampino ny vidim-bary amin’ny distrikan’i Beroroha Faritra Atsimo Andrefana amin’izao fotoana izao .

Mbola 400 Ar ihany mantsy ny iray kapoaka raha efa misy mahatratra 1.000 Ar ireo karazany mba tsaratsara ho an’ny eto an-drenivohitra. Raha araka ny fitarainan’ireo tantsaha mpamboly any an-toerana anefa dia mbola tsy misy mpividy ihany izany. Vao mainka jeren’ny mponina fotsiny aza. Efa mba niakatra 600 Ar mantsy ny iray kapoaka teo aloha. Noho ny haratsian-dalana ka tsy misy mpanangom-bokatra tonga no voalaza fa anton’izany. Mihitsoka avokoa araka izany ny voka-bary manerana ity distrika ity ka tsy lanin’ny mponina. Samy maniry sy manetsetra ny mba hahita vidim-bary 400 Ar ny iray kapoakany toy ny any amin’ny distrikan’i Beroroha araka izany ny rehetra. Efa tena mafy loatra mantsy ny manjo ny isan-tokantrano amin’ny fiatrehana ny fiainana eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra hafa, antony manosika ny hafa hanaotao foana mihitsy indraindray.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT