Sosialy

Distrikan’i Befotaka Atsimo Misy olona efa matin’ny mosary


  • Zoma 21 Oktobra 2022

Mahazo vahana ny hain-tany Atsimo. Tena mijaly fatratra vokatr’izany ireo mponina ao amin'ny kaominina Bekofafa Atsimo sy ny Kaominina Ranotsara Atsimo,

ny ao amin'ny Kaominina Antaninarenina izay samy ao anatin'ny distrikan'i Befotaka atsimo avokoa. Tsy misy intsony sakafo hohanina sy ny rano hosotroina hoy ny vaovao. Tafakatra 1 300 Ariary ny kapoakan'ny vary. Manoloana izany dia efa misy ny maty. Tao amin’ny kaominina Antaninarenina ohatra dia efa nahatratra 2 ireo namoy ny ainy. Iray kosa tao amin’ny kaominina Bekofafa Atsimo koa hanaovana antso avo amin’ny tompon’andraikitra.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo zaza amam-behivavy no tena lasibatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT