Miditra amin’ny adiany fahadimy ao anatin’ny fihibohana isika eto amin’ny Faritra Analamanga sy ireo faritra hafa ahitana ny tsimok’aretina coronavirus ankehitriny.
Mbola voakasika ary tafiditra ao anatin’izany ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano izay ahitana kaominina 26 isa. Hatreto anefa raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoaka Alain Ratsimbazafy voafidy ao amin’ity distrika ity dia vao ny an-tsasaky ny kaominina ihany no nahazo ilay tosika Fameno, tohana ara-bola 100.000 Ar omen’ny fanjakana ireo tena sahirana. Mbola nahazo ny anjarany ohatra ireo zokiolona sy sahirana ao anatin’ny kaominina ambanivohitra Andranonahoatra. Toraka izany koa ny ao Ambohidrapeto…. raha efa hiditra efatra herinandro izao no nilaharan’izy ireo vao maraina nohadihadian’ny FID. Manao antso amin’ny fanjakana araka izany ity solombavambahoaka ity ny amin’ny tokony hijerena ireo olona sahirana mbola tsy nahazo ny anjarany eny atsimondrano ireo.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.