Sosialy

Distrikan’Atsimondrano “Tsy tafaverina anaty fotoana fohy ny fahavoazana”


  • Zoma 28 Janoary 2022

Ampitatafika, Tanjombato, Anosizato amin’izao fotoana izao no tena ahitana traboina betsaka indrindra ato amin’ny distrikan’Atsimondrano, hoy ny depiote voafidy teny an-toerana, Alain Ratsimbazafy,

 raha nitsidika ireo traboina natoby teny Anosizato atsinanana omaly. Nidina avy hatrany nankahery ireo traboina rehetra ato anatin’ny distrikan’Antananarivo Atsimondrano ny tenako, hoy izy. Nitondra izay tsirambin’ny tanana ihany koa. Ny ankamaroan’ireo olona ireo amin’izao fotoana izao dia misy rava trano, very asa, potika fananana. Rarina raha apetraka ao anatin’izany ny fehim-pihavanana amin’ny samy malagasy. Mifankahery sy mifanohana anaty sarotra. Mifanome tanana, indrindra, satria hitantsika fa tena miaina anaty fahasahiranana tokoa ireo vahoaka ireo amin’izao fotoana izao. Manao antsoavo ny mpikamban’ny governemanta ny tenako, indrindra, ny BNGRC mikasika ny famatsiana ara-tsakafo ireto vahoaka ireto. Eo koa ny fijerena ny lafiny ara-tsosialy maharitra satria tsy tafaverina anaty fotoana fohy ny fahavoazana. Mila jerena ny lafiny ara-kasa sy ny fanarenana ireo fotodrafitrasa simba. Ahoana no hijerena vahaolana maharitra toy ny fametrahana toerana manokana mba handraisana ny sanatria voina mitranga toy ireny satria amin’izao fotoana izao dia vonjimaika avokoa ny zava-drehetra. Na ny trano sekoly aza dia hitantsika fa tsy maintsy najanona ny fampianarana fa nametrahana traboina aloha, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Legende: Ny depiote Alain Ratsimbazafy (manao mangamanga) nitafa tamin’ireo traboina
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT