Sosialy

Distrikan’Atsimondrano Efa-bolana ny olan’ny rano sy jiro tsy mety voavaha


  • Talata 05 Febroary 2019

Saika manao ny tomban’ny fotoam-piasany tamin’ny naha solombavambahoaka azy avy ireo depiote amin’izao fiafaran’ny fotoam-piasan’izy ireo izao.

 

 

 Ho an’ny depiote ao Atsimondrano, Voahangy Raharimanarivo manokana dia mandry ny eritreriny satria raha nisy lalàna nofidiana dia izay nahasoa vahoaka ihany no nananganany tanana. Depiote tsy voavidy vola aho, hoy izy, tamin’ireny fotoana nanambazana volabe ny tety Tsimbazaza ireny ary niady mafy ny mba hanatsarana ny fotodrafitrasa tety Atsimondrano. Olana goavan’Atsimondrano ny resaka rano fisotro madio sy jiro izay efa-bolana no nampikaikaika, anisan’ny tena mijaly noho ny fahatapahan’ny  rano efa ho ora folo isan’andro ny eny Itaosy, Avarabohitra, Ampitatafika,Ambavahaditokana... Ratsy, hono, ny fantsona. Mitombo ny isan’ny mponina dia io mivoaka io moa, hoy izy, ny politika ankapoben’ny fanjakana ka ho hita eo.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT