Sosialy

Distrikan’Arivonimamo Olona telo no ahiahiana ho voan’ny pesta


  • Alatsinainy 12 Aogositra 2019

Olona telo no ahiahiana hisy pesta any amin’ny kaominina ambanivohitra Amboanana, distrikan’Arivonimamo.

 

 

Karazana pesta atodintarimo na bubonique no  voalaza fa mety nahavoa ireto olona ireto izay mamono ao anatin’ny fotoana fohy sady miparitaka haingana dia haingana amin’ny alalan’ny piti-drora. Nisy avy hatrany moa ny fepetra noraisina mikasika azy ireo mba tsy hiparitahan’ny aretina. Nalefa notsaboina eny anivon’ny hopitaly izy ireo ary nanaovana asa fanadiovana ihany koa ny faritra misy azy. Ahiana sahady ny mety hisian’ny aretina pesta na dia mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny ririnina aza isika. Manampy tosika izany ny fisian’ny fako mivangongo etsy sy eroa izay miteraka ny aretin’ny taovam-pisefoana ihany koa ankoatra ny fandoroana tanety any ambanivohitra ka mampiakatra ny voalavo eny an-tanàna.  Antso avo no hatao amin’ny rehetra mba samy hiezaka hanadio ny faritra misy azy sy hanary ny fako eny amin’ny toerana voatokana amin’izany. Miangavy ny SAMVA ihany koa handroaka azy ireny ara-potoana na dia misy aza ny tsy fahampian’ny fiarabe mpitatitra.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT