Sosialy

DISTRIKAN’AMBOHIDRATRIMO Mbola maro ireo olana sedrain’ny mponina


  • Alatsinainy 26 Aogositra 2019

Mbola maro ny olana sedrain’ireo mponina ao anatin’ny distrikan’Ambohidratrimo, tsy maintsy hovahan’ny solombavambahoaka voafidy any an-toerana.

 

 

 

 Anisan’izany ny famatsian-drano izay tena mampijaly ireo mponina ao Ankadindravola. Amin’ny 1 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora maraina ihany mantsy no mba mandeha ny rano   hoe : ora telo isan’andro hany ka voatery mividy rano lafo dia lafo any amin’ireo afaka mamatsy izany ny mponina.  Manodidina ny 1.000 ka hatramin’ny 2.000 Ar no hividianan’izy ireo  iray bidon miloko mavo. Ankoatra izay, fantatra ihany koa fa anisan’ny distrika tsy mbola nisitraka ny fandraisan’ny fitondram-panjakana mpampianatra FRAM hatreto ny distrikan’Ambohidratrimo. Misy amin’ireo mpampianatra ao an-toerana anefa no efa 13 taona ny nampianarana saingy tsy mbola lasa mpiasam-panjakana ihany hatreto. Lasa vesatra ho an’ny ray aman-dreny izany amin’ny ankapobeny sady tsy hahafahan’ilay mpampianatra manana fiainana milamina ihany koa. Efa nanaovan’ny solombavambahoaka Johnny Rakotoarisoa antso avo tamin’ny fitondram-panjakana sahady ireo ny sabotsy lasa teo nandritra ny fotoana nametrahana azy tamim-pomba ofisialy tamin’ny toerany ka nampisalorana azy ny samboady amin’ny maha solombavambahoaka azy. Teny amin’ny kianjan’Ambohidratrimo no nanatanterahana izany, lanonana notarihin’ny filoha lefitry ny antenimieram-pirenena avy eto amin’ny faritanin’Antananarivo Atoa Rasolonjatovo Honoré.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT