Sosialy

Disciples d'Auguste Escoffier sy ny Polisy Mofomamy 275m nozarainy ho an’ny kamboty sy sahirana


  • Alatsinainy 20 Desambra 2021

Nahatsiaro manokana ireo ankizy kamboty sy sahirana ara-pivelomana ny Polisy misahana ny zaza tsy ampy taona sy ny Polisy vavy miasa ao amin'ny "Brigade Féminine de Proximité".

 Mofomamy mirefy 275 metatra no nozaraina tamin'ireo ankizy miisa 10 000 teto an-drenivohitra. Isany nahazo izany ny Akany Sandratra Ambohijanaka izay mitaiza zaza kamboty hatrany amin'ny 60 isa sy ankizy sahirana miisa 150; Ny Akany Avoko Ambohidratrimo mitaiza ankizy miisa 200 izay manana olana amin'ny lalàna ; ireo ankizy ao amin'ny akany Ambatolampy tezain'ny Polisim-pirenena ; ireo zaza kamboty tezain'ny zandarimariam-pirenena. Fiaraha-miasa niaraka tamin'ny ekipa "Disciples d'Auguste Escoffier" matihanina amin’ny sakafo no nahitana izao mofomamy lehibe izao. Miisa 7 ireo niara-nanamboatra azy ahitana an-dry Chef Lalaina Ravelomanana, Kisto Rajesh, Mihary Andriantsilavo, François Van Pens, Zo Herilanto Ranindrinarisoa, Jean Marc Bouchet ary Julien Loray. Marihina fa izy ireo no tompon’ny « record » farany izay 217m ary nomontsaniny indray izany. 1,4km moa no voalaza fa lava indrindra maneran-tany tamin’io. Atody 2986, siramamy 100kg, lafarinina 5kg no isan’ny akora fototra nanamboarana io 275m io.
Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT