Sosialy

Disadisam-piarahamonina Resaka WC no nidarohana olona


  • Sabotsy 02 Mey 2020

Raim-pianakaviana mpanofa trano sy vehivavy tompon-trano iray monina ao Antalaha no niharan’ny herisetra nataona lehilahy iray mpiambina tanana ny 23 Aprily teo tokony tamin’ny 06 ora hariva.

 

 

Raha tsiahivina kely ny tantara dia taitra mafy ity raim-pianakaviana raha nahita ilay lehilahy nanao maloto tao amin’ny trano fivoahana (wc) izay mbola tsy vita. Nahatafavoaka teny mahery izy noho izany izay tao anatin’ny hatezerana rahateo. Notsenain'ilay lehilahy mpiambina nangalatra nivoaka tao amin’ilay trano fivoahana ity farany nandritra izany. Ankoatra ity farany dia mbola nodarohan’ity lehilahy ity ihany koa ilay ramatoa tompon-trano, izay niezaka nanelanelana. Samy naratra mafy avokoa moa ny roa tonta nandritra izany. Ny ampitso ihany dia nandeha nametraka fitoriana teny amin’ny polisy ao Antalaha ireto farany ary nosamborina avy hatrany ilay nahavanon-doza. Akory anefa ny hagagan’ny mpitory ny ampitson’iny fa efa naverina nody tany an-tranony ilay mpidaroka ary ity farany indray no lasa nametraka fitoriana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT