Sosialy

Disadisam-pianakaviana Ny zanany lahy ihany no namono ilay ramatoa


  • Talata 21 Aprily 2020

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tao Miakadaza, fokontany Ambihidrakitra, kaominina Ambatomanoina distrikan’Anjozorobe ny 07 aprily lasa teo. Renim-pianakaviana iray no maty novonoin’ny zanany lahy noho ny disadisa nisy teo amin’izy mianaka.

 

 

 

 

Raha ny fanazavana nentin’ny komandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria tao Ambatomanoina dia ny alarobia 08 Aprily maraina vao nisy olon-tsotra tonga nampandre azy ireo mikasika ity tranga ity. Nampandre avy hatrany ny mpitsabo ihany koa io olona ka niaraka nanao ny fizahana sy fanadihadiana tamin’ny famonoana ny roa tonta. Niroso tamin’ny fanadihadiana ny mpitandro ny filaminana taorian’izany ka fantatra fa ny zanaka lahin’ity Ramatoa ity ihany no namono nahafaty azy. Efa tsy hita tany an-toerana rahateo io lehilahy io tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpitandro ny filaminana. Raha ny resaka nifanaovan’ny komandin’ny vondron-tobim-paritra Imerina Centrale tamin’ny anabavin’io tovolahy nahavanon-doza io anefa dia tsy niala lavitra ny tanàna Miakadaza izy izay toerana nitrangan’ny famonoana. Mety tsy ho sarotra araka izany ny hikaroka azy saingy matahotra ny ainy ny amin’ny mety hisian’ny valifaty kosa ny fiaraha-monina. Eo am-pikarohana ilay tovolahy ny manam-pahefana hatramin’izao koa andrasana izay mety ho tohiny.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT