Sosialy

Disadisam-pianakaviana Notsatohany lefona ny rafozany


  • Alarobia 24 Oktobra 2018

Tranga mampalahelo sady mampivarahontsana no nitranga noho ny disadisa nisy teo amina fianakaviana iray.

 

 

 

 Ny alahady teo, ny vinantony ihany no namono ny rafozany tamin'ny fomba feno habibiana. Niala ny tanindrazany ilay tovolahy mba hila ravinahitra. Ilay ramatoa kely nanome toky fa hiandry azy ary tsy hiaraka amina  lehilahy hafa mihitsy. Nifanaraka ny an-daniny sy ny an-kilany fa hifampiandry. Naharitra 4 taona ny nandaozany ny tanindrazana. Nanapa-kevitra ilay tovolahy fa hody hiverina hamonjy ny andefimandriny. Vao tonga tao an-tanàna, akory ny hagagany fa nahita ilay fofombadiny efa niteraka roa. Tsy izao no nifanarahana, hoy izy. Nampangainy ho miray tsikombakomba amin’ilay tovovavy ny ray aman-dreniny. Nitsoaka moa ilay tovovavy izay saika hovonoin’ity tovolahy avy hatrany. Vao miha niakatra ny tambaviny, tezitra mafy ka avy hatrany dia ilay rafozam-baviny no nodarohany sy notsatohany lefona ary maty tsy tra-drano. Gaga ny rehetra nahita ny fahasahian'ity tovolahy tamin'ny fihetsika feno habibiana. Avy namono an'ilay rafozany izy dia nitolo-tena teny amin'ny mpitandro ny filaminana ary efa nampidirina am-ponja vonjimaika.

 Onesime Michel

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT