Sosialy

Disadisa eo amin’ny Etazonia sy Iran Tsy maintsy hisy akony amin’ny fanjifana solika


  • Alatsinainy 06 Janoary 2020

Nody avokoa ireo mpiasa amerikanina miasa amin’ny kaompania amin’ny fitrandrahana solika tany Irak taorian’ny fanambarana natao’ny Iraniana ny amin’ny tsy maintsy hamaliana faty an’i Etazonia.

 

 

 

 Nilaza mantsy ny tany Iran fa tsy mila fifampiresahana sy fifampidinihina fa tsy maintsy hamaly avy hatrany manoloana ny fahafatesan’ny jeneraly Soleimani. Iaraha-mahalala fa anisan’ny mpanjifa solika ary mila betsaka amin’izany Etazonia ary ahiana hisy akony maneran-tany mihitsy.Iny faritra misy an’i Iran iny rahateo dia mpamokatra solika ary mpivarotra sy mpanondrana solika.Efa voaporofo hatramin’izay fa miteraka fiakaran’ny vidin’ny barila ny korontana na savorovoro mitranga ao amin’nyfirenena iray mpamokatra solika na manodidina ilay firenena mpamokatra solika.Anton’izany ny ahiahin’ireo mpandraharaha amin’ny solika ny amin’ny mety hisian’ny herisetra na fahatapahana tampoka amin’ny famatsiana, hany ka tonga dia mampiakatra ny vidin-tsolika izy ireo mba hisorohana ny mety ho fatiantoka.Raha ny nitranga omaly 5 janoary teo amin’ny tsenan-tsolika iraisam-pirenena aloha dia tsy mbola ho mampatahotra, nisy fisondrotany kely monja , izany hoe niabo 3,02% ny vidin’ny barila iray.. izany hoe manodidina ny 63,03 dolara ; saingy tsy dia tena hoe mampatahotra be io hatreto aloha fa mila arahana akaiky ny fivoatry ny toe-draharaha any Moyen orient, satria tsy ny vidin-tsolika loatra no olana fa ny hoe : mbola hizotra araka ny tokony ho izy ve ny famokarana solika sy ny fitsinjarana izany ; mazava ho azy fa vao miakatra ny vidin-tsolika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena miampy ny mety ho olana amin’ny famatsiana sy ny fitaterana solika dia hisy akony amina firenena maro maneran-tany tahaka an’i Madagasikara izany ary tsy maintsy hiakatra ny vidin-tslika.  Ho hita eo ny tohiny.

 

Tsirinasolo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT