DIO MAHARITRA

BORIBORINTANY FAHA -4


  • Alakamisy 06 Aogositra 2026

Hanomboka amin'ity volana ity ny asa

Hanomboka amin'ity volana Aogositra ity ny tetikasa Dio Maharitra, tanterahina eo anivon'ny boriboritany faha-4 mikasika ny fahadiovana sy ny fidiovana. Ho voakasik'izany avokoa ireo Fokontany 32 isa eny ifotony. Fokontany 3 no hisantarana izany dia ny fokontany Anosizato Atsinanana I, Mandrangombato II, ary Angarangarana, toerana izay tena mampitaraina ny maro amin'ny resaka loto tokoa, raha araka ny fanazavan-dRamahandrimanana Solofoniaina, delegen'ny Boriborintany faha-efatra. Hojerena sy ho karakaraina mandritra izany ny fahadiovan'ny tanana, ny filaminan'ny tsena. Toraka izany koa ny fandaminana ny lalana mihazo ny tsenan'i Namontana miainga eo amin'ny tobim-piantsonana misy ireo mpivaro-kena ka hatreny amin'ny Rond point coco mba hananana tanana madio sy milamina. Hiaraha-miasa amin'ireo orinasa sy toeram-pivarotana lehibe ao anatin'ny Fokontany ity tetikasa ity. Eo koa ny RF2 izay rafitra iray mitandro ny fahadiovana eny anivon'ny Fokontany sy ireo mpiasan'ny kaominina. Tanjona ny hampianarana ny mponina ho tia madio ka hahafahany mandray anjara amin'ny asa fanadiovana, ny fanovana ny toe-tsaina ho tia fahadiovana sy filaminana ary ny firindran'ny fifamoivoizana an-tanan-dehibe arahin'ny fisian'ireo toeram- pivarotana milamina.
Pati
Légende : Ramahandrimanana Solofoniaina, delegen'ny Boriborintany faha-efatra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT