Sosialy

Digy Fenoarivo Ny antsasak’ireo andrin-jiro sisa no mirehitra…


  • Alatsinainy 18 Novambra 2019

Ny antsasak’ireo andrin-jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 167 napetraka eny amin’ny digy mihazo an’i Fenoarivo sisa ankehitriny no mirehitra ara-dalàna, fotodrafitrasa napetraka tamin’ny taona 2016. Ny ankoatra izay dia very sy maty avokoa.

 Efa nividianan’ny kandida Ben’ny tanàna Rado Ramparaoelina andrin-jiro miisa 14 vaovao tany Sina, saingy tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny kaominina Ampitatafika ny mandoa azy. Tsy mitazam-potsiny anefa ny tenany tamin’ny naha Ben’ny tanàna azy fa efa nanakarama olona enina isam-bolana mihitsy mba hiambina eny amin’ny digy ka telo taona katroka izao no nahalasa mpiasan’ny kaominina raikitra ireo olona ireo, mandray karama isam-bolana. Hatreto dia olona miisa 14 no efa nampidirina am-ponja vokatr’ity halatra andrin-jiro eny amin’ny digy Fenoarivo ity ka sivy no nalefa eny Tsiafahy ary eny Antanimora ny ambiny. Tsiahivina fa 5 tapitrisa Ar no vidin’ny andrinjiro iray tamin’izany fotoana raha efa nidina 2 400.000 Ar kosa ny iray ankehitriny. Ankoatra an’Ampitatafika dia ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy Toamasina no nisitraka ity andrinjiro ity.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT