Sosialy

Difotry ny fahantrana ny Malagasy 10 000 Ar isan’andro no vola henjehin’ny ankizy mpangataka


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Tena difotry ny fahasahiranana ny Malagasy. Lasa mandray anjara amin’ny famelomana ny tenany hatramin’ny ankizy ankehitriny noho ny hasarotan’ny fiainana.

Ho ana ankizy 4 mianadahy miasa mangataka etsy Anosy isan’andro ohatra dia fantatra fa tsy maintsy mitondra 10.000 Ar isan’andro mody izy ireo mba hampiodinany ny fiainany. Raha araka ny fanazavan’ilay zazavavy kely vao 13 taona monja zokiny indrindra dia taorian’ny nisarahan’ireo Ray aman-dReny no nahatonga azy tsy maintsy mandray anjara amin’ny asa fameloman-tena tahaka izao. Tsy misy mianatra intsony izy 4 mianadahy raha tao amin’ny kilasy fahatelo izy no niala. Mihirahira dia mangataka na mitondra entan’olona no hataon’izy 4 mianadahy ireto mandrapaharivan’ny andro. Tonga hatrany Analakely sy Anosibe izy manao izany asa izany. Raha araka ny fantatra dia hividianany sakafo hariva miaraka amin-dReniny ny 5.000 Ar amin’io vola io isan’andro raha hangonina mba handoavana hofantrano, hividianana savony hanasana lamba kosa ny 5.000 Ar ambiny. Dia tahaka izay hatrany no fiainan’izy 4 mianadahy kely ireto. Isaky ny avy misakafo hariva moa izy ireo no manomana ny asa fitadiavany ho amin’ny ampitso indray ka anisan’ireny ny fianarana hira sy ny fametrahana paikady hahafahana mahita vola haingana. Tsy maintsy mody mantsy izy ireo isan-kariva amin’ny 05 ora raha tonga eny an-kianja kosa isa-maraina manomboka amin’ny 09 ora eo ho eo. Tsy izy 4 mianadahy kely ireto ihany moa no zaza Malagasy miharitra izany fa tena marobe tokoa ka hanaovana antso avo amin’ny Ministeran’ny mponina sy ireo fikambanana mandray an-tanana ny vehivavy sy ny ankizy mba handray ny andraikiny.
Pati
Legende : Tsy maintsy manenjika 10.000 Ar isan’andro izy 4 mianadahy ireto
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT