Sosialy

Didim-poitra etsy sy eroa Tsy misy iainana ny « bal » isan-kalina


  • Alatsinainy 12 Jolay 2021

Velon-taraina ny sasany amin’ireo olona monina eny amin’ny faritra iva amin’izao. Saika ho isan-kalina mantsy hatramin’ny vanim-potoana niantombohan’ny ririnina dia mafotaka hatrany ny alim-pandihizana izay ohatra mitety

 tokantrano mihitsy. Ireo mpanao famoran-jazalahy no tena mankafy azy io izay marihina fa mbola mandihy sy mameno ny arabe ihany koa amin’ny andro atoandro. Ho an’iny faritra 67 ha misy ny lalam-baovao iny ohatra dia mahatratra 5 isan’andro raha kely ireo olona manao didim-poitra mandihy sy mitsinjaka eny an-toerana izay zary lasa hafinaretan’ny mpitazana indray ny mahita azy. Ny manahirana amin’ny tranga tahaka itony dia ny fanelingelenany ny fiaraha-monina indrindra raha misy fifandirana eny an-dalana sy mandritra ilay alim-pandihizana. Toraka izany koa ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay haterak’izy ireny amin’ny fotoana hodian’ny mpianatra sy ny mpiasa. Tsiahivina moa fa tsy mba afaka nanao izany izy ireny tamin-taon-dasa noho ny fihibohana nateraky ny valan’aretina Covid 19 hany ka tena manararaotra tanteraka.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT